Acts 28

1Rehefa tonga soa aman-tsara izahay, dia hainay fa ilay tany dia nantsoina hoe Malta. 2Ireo terantany dia tsy nanome hatsaram-panahy tsotra taminay fotsiny, fa nandrehitra afo izy ireo ary nampandroso anay rehetra, nohon’ny orana mikija sy ny hatsiaka.

3Fa rehefa nanangona kitay hazo sy nametraka izany teo amin’ny afo Paoly, dia nisy menarana nivoaka nohon’ny hafanana, ary nifatotra tamin’ny tanany. 4Rehefa nahita ilay biby nihantona teo amin’ny tanany ireo terantany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: ‘’Tena mpamono olona izay nitsoaka avy tany an-dranomasina io lehilahy io, raha ny rariny dia tsy tokony ho velona izy.‘’

5Fa avy eo nanozongozona ilay biby ho anaty afo izy nefa tsy naratra akory. 6Niandry azy mba ho voan’ny tazo na ho faty tampoka izy ireo. Fa rehefa avy nijery azy maharitra izy ireo ary nahita fa tsy nisy zavatra tsy mahazatra nanjo azy, dia niova hevitra izy ireo ary nilaza fa izy dia andriamanitra.

7Ary tamin’ny toerana akaiky teo nisy ireo tany izay an’ilay lehilahy lehiben’ny nosy, lehilahy antsoina hoe Poplio. Nandray anay izy ary nanome sakafo anay tamin’ny hatsaram-panahy nandritry ny telo andro. 8Ny rain’i Poplio dia nararin’ny tazo sy fivalanan-drà. Rehefa nankany aminy Paoly, dia nivavaka izy, nametraka ny tanany teo aminy, ary nanasitrana azy. 9Taorian’ny nitrangan’izany, dia nanatona azy avokoa ny ambin’ny vahoaka rehetra izay narary teo amin’ilay nosy ary sitrana. 10Ny vahoaka ihany koa dia nanome voninahitra anay tamin’ny voninahitra maro. Ary rehefa niomana andeha hiantsambo izahay, dia nanome anay izay nilainay izy ireo.

11Afaka telo volana izahay dia nandeha niondrana tamin’ny sambo izay nijanona tao amin’ilay nosy nandritry ny ririnina, sambon’i Aleksandria, misy ‘“sarikamban’andriamanitra” eo anoloan’ny sambo 12Ary rehefa tonga tamin’ilay tanànan’i Sirakosa izahay, dia nitoetra tao nandritry ny telo andro.

13Niala avy teo izahay no niantsambo ka tonga tany amin’ny tanànan’i Regioma. Ary rehefa afaka iray andro dia nisy rivotra nitsoka avy any atsimo, ka roa andro izahay dia tonga tao amin’ny tanànan’i Potioly. 14Tao no nahitanay ireo rahalahy sasany ary nanasa anay mba hijanona hiaraka amin’izy ireo mandritry ny fito andro. Tamin’ny alalan’izany no nahatongavanay tany Roma. 15Avy teny ireo rahalahy, taorian’ny nandrenesan’izy ireo ny momba anay, dia tonga nitsena anay hatrany amin’ny tsenan’i Apio sy ireo tranom-bahiny telo. Rehefa nahita ireo rahalahy Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra izy ary nahazo hery.

16Rehefa niditra tao Roma izahay, dia nahazo alalana hiara-hiaina amin’ireo miaramila niambina azy Paoly. 17Ary rehefa afaka hateloana taorinan’izay dia nampiantso niaraka ireo lehilahy izay mpitarika teo amin’ireo Jiosy ireo i Paoly. Rehefa niaraka tonga izy ireo, dia niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Ry rahalahy, na dia tsy nanao zavatra ratsy tamin’ny olona na ny fomban’ireo razantsika aza aho, dia natolotra ho voafonja tany Jerosalema teo an-tanan’ny Romana. 18Rehefa avy nanadihady ahy izy ireo, dia naniry ny hanafaka ahy, satria tsy nisy antony tokony hanamelohana ahy ho faty.

19Fa rehefa nanohitra ny fanirian’izy ireo ny Jiosy, dia voatery aho nampiantso an’i Kaisara, na dia tsy toy ny hoe nitondra fiampangana hanohitra ny fireneko aza. 20Nohon’ny antsoko, dia, nangataka ny hahita anareo sy hiresaka aminareo aho. Izany dia nohon’ny fahatokisan’Israely momba ny hamatorana ahy amin’ity rojo ity.”

21Avy eo dia niteny taminy izy ireo hoe: “Tsy mbola naharay ireo taratasy momba anao avy any Jodia izahay, na rahalahy tonga sy nitatitra na niteny zavatra ratsy momba anao. 22Fa tianay ho re aminao ny eritreritrao momba izany sekta izany, satria fantatray fa efa ratsy laza eny rehetra eny izany.

23Rehefa nisafidy andro ho azy izy ireo, dia maro kokoa ireo olona nanantona azy tany amin’ny trano nivahinianany. Nampahafantatra ilay raharaha tamin’izy ireo izy, ary nijoro vavolombelona momban’ny fanjakan’Andriamanitra. Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny momba an’i Jesosy izy, na tamin’ny alalan’i Mosesy izany na tamin’ny alalan’ny mpaminany, nanomboka maraina ka hatramin’ny hariva. 24Ny sasany dia resy lahatra tamin’ireo zavatra izay voalaza, raha tsy nino kosa ireo hafa.

25Rehefa tsy nifanaraka izy ireo, dia lasa taorian’ny nanambaran’i Paoly ity teny iray ity hoe: “Ny Fanahy Masina dia niteny tsara ireo razanareo tamin’ny alalan’Isaia mpaminany. 26Hoy izy hoe: ‘Mandehana any amin’ireo vahoaka ireo ary lazao hoe: “Amin’ny fihainoana no handrenesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin’ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita.

27Fa nihadonto ny fon’ireo olona ireo, ary sarotra amin’ny sofin’izy ireo ny handre, ary nanakipy ny masony izy ireo. Fa raha tsy izany dia mety afaka hahita amin’ny masony izy ireo, ary handre amin’ny sofiny, sy hahatakatra amin’ny fony ka hiverina indray, dia hanasitrana azy ireo aho.”’

28Noho izany, tokony ho fantatrareo fa izany famonjen’Andriamanitra izany dia nalefa tamin’ireo Jentilisy, ary hihaino izy ireo.” 29(Fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy: Asa 28: 29- Ny antontan-taratasy sasany dia manana ny andininy. 29 hoe: “Rehefa niteny ireo zavatra ireo izy, dia lasa ny Jiosy. Nisy fifandirana lehibe teo amin’izy ireo.”)

30Paoly dia niaina nandritry ny roa taona maninjitra tao amin’ny tranony nohofaina manokana, ary nandray izay rehetra tonga tao aminy izy. 31Nanambara ny fanjakan’Andriamanitra izy ary nampianatra ireo zavatra momban’i Tompo Jesosy Kristy tamin’ny fahasahiana rehetra. Ary tsy nisy nanakana izy.

Copyright information for PltULB